Ny fihorenan’ny Fianakaviana


Ny olon-droa

Ny olombelona dia tsy Nosy satria Ilay nahary azy araky ny endriny sy ny fitoviany tsy nahary azy hiaina irery. Andriamanitra mihitsy no nilaza fa : “... Tsy tsara raha irery ralehilahy ...” (Genesisy 2:18).
Na dia nohariana tamin’ny fahalavorariana araky ny endrika sy fitoviana amin’ny Avo Indrindra aza ny olombelona, dia tsy ampy olona iray izy hameno azy. Tsy olona mitovy aminy ara-batana, anefa kosa olona mahery afaka hanampy azy. Noho izany araky ny tantara ao amin’ny baiboly dia nahary ny vehivavy tamin’ny taolan-tehezan’ny lehilahy Andriamanitra. Azony natao nitovy tamin’ny namoronany ny lehilahy ny vehivavy, izany hoe avy amin’ny alalan’ny tanimanga, kanefa nohariana tamin’ny alalan’ny lahy izy mba hampitombina ny toeran’ny vavy eo anatrehan’ny lahy dia ny manaiky ny fahefany izany.
Nohariana tamina-tanjona manokana ny vehivavy: dia ny hanampy ny lahy amin’ny fampitomboana, amin’ny fitaizana ny ankizy, amin’ny fitantanana ny tokan-trano, tsy ambaka an’izany ny ara-pitiavana. Ny lehilahy no lohany fa ny vehivavy no fo. Mitovy ny fomba fihevitr’Andriamanitra azy roa saingy ny lahy hitantana ny ankohonany. Noho izany ny vehivavy dia tokony hanaiky azy, ny ankilany kosa tokony ho tia ny vavy. Ny lehilahy dia afaka manana tanjaka, herim-po, fahefana ary fahavitriana tahaka ny tena arabo, nefa rehefa eo am-pelan-tànan’ny vehivavy izy dia toy ny zaza tsy misy mpiaro satria ny vehivavy no hany tokana manana fahefana ahasambatra azy eto an-tany. Raha tsy misy azy dia tahaka ny olona tokan-dranjo izy; ary raha toa ka soloiny ny vavy dia tahaka ny manolo ranjo voajanahary amina-ranjo mekanika izy; ho tafatsangana izy fa tsy afaka mandray anjara amina-fifaninanana. Tsy mila vehivavy fotsiny ny lehilahy fa miankina aminy. Nohariana hiaraka izy ireo. Noho izany mifampiankina sy mifameno amin’ny alalan’ny fanambadiana ary dia tonga nofo iray ihany rehefa aterak’Andriamanitra isika, ny dingana manaraka tena lehibe dia ny fanambadiana. Raha toa isika ka mpitovo, nisara-bady na maty vady ary te hanompo an’Andriamanitra, dia tokony isika hieritreritra haingana ny fanambadiana satria avy amin’ny fahombiaza eo amin’ny lafiny ara-panambadiana no ahafahana manompo tsara na tsia ny Tompo. Raha toa ka efa manambady isika dia tokony hitolona mba hiova-fo ny vadin-tsika ary amin’izany, izy roa ao anatin’ny fanahy iray sy finoana iray, dia afaka hitolona ho an’ireo izay efa an-dàlam-pahaverezana, tsy misy famonjena.
Mba ahafahan’ny fanambadiana ahomby, tsy ampy fotsiny ny hoe vita batisan’ny Fanahy Masina. Ara-bakiteny, eny, fa amin’ny fampiharana dia tsy ampy izany satria ny olombelona dia tsy miorina amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny fa misy ihany koa ny nofo izay mifanohitra amin’ny fanahy. Raha miaina amin’ny fanahy efatr’abin’ny roapolo ora isan’andro mandritra ny andro iainantsika isika dia tsy hisy ny olana;  na izany aza anefa na tiantsika na tsia, ny nofontsika dia manana ny filany isan’andro. Noho izay antony izay, ankoatran’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina dia ilaina mifanaraka na mifanentana ny olon-droa.
Alaintsika sary an-tsaina, ohatra, ny vehivavy izay efa be taona, manana traikefa sy kolontsaina maro na manana fahafahana amin’ny ankapobeny noho ny vadiny. Amin’ny fomba ahoana no anekeny ny fahefan’ny lahy ao amin’ny fiarahan’izy ireo? Tena tsy hay atao. Ary raha toa ka tsy manana fahafahana ho tonga lohan’ny fianakaviana ny lahy araka ny fampianaran’ny Soratra Masina dia tsy afaka ny handroso mihitsy io tokan-trano io. Tena sarotra tsy araka izay eritreretintsika ny olana, rehefa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fanambadiana dia tsy hifanaraka amin’Andriamanitra ihany koa. Tsy manome torolàlana mitombina momba ny filana ara-tsosialy ambony eo anivon’ny mpifamofo ny mpanoratra Soratra Masina. Kanefa tsy azontsika atao tsinotsinona ny faharintantsaina miaraka amin’ny finoana. Raha toa ka tsy misy tombontsoa ara-tsosialy eo amin’izy roa dia ilaina aloha izy mandamina ilay toe-javatra alohan’ny hanantanterahina fiombonana izay tsy handeha.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *