Fianakaviana - Fiangonana


Raha mivavaka sy miantsoantso ary mitalaho ny vahoakan’Andriamanitra dia hihaino azy any an-danitra Andriamanitra ka hamaly ny antsoantsony ary hanao izay rehetra azony atao mba hanova ny fiaraha-monina. Iarahantsika mahita fa manerana an’izao tontolo izao, ny fiangonan’i Jesosy Tompo dia miha-rava tsikelikely eo amin’ny lafiny ara-panahy. Eo an-dalam-pahasimbana ny toe-tsainy nohon’ny tsy fanomezana lanja intsony ny fianakaviana, indrindra moa fa ny fanambadiana.

Raha ny fianakaviana no resahina dia ny zanaka no eritreretin’ny olona avy hatrany. Tsy ny ankizy anefa no tena zava-dehibe fa ny mpivady. Raha tsy mandeha tsara ny fanambadiana dia tsy misy dikany amin’ny ankizy ny manana fananana satria na izy ireo koa aza ahatsiaro ho afahafa. Tena nofinofy ny fiheverana fa voaharo ny fanambadiana nohon’ny ankizy. Tsy tahaka izany no hamonjenao ny zanakao: amin’ny famitahana sy fampisehoana azy ireo ny zavatra  tsy misy akory, mamitaka azy ireo amin’ny fanehoana ny tsy tena fitiavana marina amin’ilay vady.

Ny vaha-olana dia ny mikaroka ny zavatra manan-danja izay misy ao anatin’ny fanambadiana satria io no trano fialofan’ny ankizy. Masina ny fanambadiana satria izy dia taratry ny fifaneken’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Tahak’izany ny lahy dia oharina amin’i Jesosy ary ny vavy amin’ny fiangonana. Ny apostoly Paoly, izay notarihin’ny Fanahy Masina, dia nilaza hoe: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana, ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. Hianareo lehilahy tiavo ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana...” (Efesiana 5: 22-25). Paoly dia nanao fampitahana teo amin’ny lahy sy i Jesosy Kristy Tompo. Dia tahaka ny fitantanan’i Jesosy ny fiangonana no hitantanan’ny lahy ny vavy. Mariho tsara fa misy fifandraisana akaiky eo amin’ny samy mpivady ary koa eo amin’Andriamanitra sy olombelona. Tsy izay va no ampianarin’ny mpaminany? Isaia dia nanambara: “Fa ny Mpanao anao no vadianao ...” manao fampitahana amin’ny Israely ( Isaia 54:5). Jeremia ihany koa dia nanampy hoe: “... fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah.” (Jeremia 31: 32).

Manontany tena aho hoe nahoana ny apostoly Paoly no nanao io fampitahana eo amin’ny mpivady sy eo amin’ny Jesosy sy ny fiangonana, raha toa ka tsy zava-dehibe sy masina ny fanambadiana? Nambarany tao anatina andalana samihafa izany ary nofaranany tamin’ny hoe: “Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’ny Kristy sy ny fiangonana aho. Na dia izany aza samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” (Efesiana 5: 32-33).

Tsara raha toa ka afaka mandalina izany ny tsirairay avy amintsika alohan’ny hanolorantsika ny fitiavantsika manontolo hoan’ireo zanantsika. Tokony atodintsika lehilahy tanteraka any amin’ny vavy ny fitiavantsika, satria izy no ambony indrindra noho ny ankizy, sady izy ireo koa hanambady ary hanana ny fiainany. Fanampin’izany, rehefa antitra ny ray aman-dreny, tsy manana faharetana intsony ny ankizy ka manana faniriana ny hampiasa olona hikarakara ireo “antitra kely” ireo.

Marobe ireo izay mitomany any amin’ireny toerana fitaizana beantitra satria nanolotra ny ainy izy ireo ary nijaly tokoa tamin’ny fitaizana ny zanany, ary dia nihatra hatramin’ny tsy fihinanan-kanina izany mba ahafahany manome azy ireo hanin-koanina, ary rehefa lehibe izy ireo ka tafita dia nanambady ary mandao ny ray aman-dreny. Karakarao tsara ny vadinareo na lahy na vavy. Ny zanakareo dia nampidramin’Andriamanitra anareo fotsiny mandritra ny fotoana tsy voafetra, fa avy eo dia lasa izy ireo. Fa ianareo roa kosa, hiaraka mandritra ny androm-piainanareo. Ary hifampiankina ianareo mandritra ireo andro sisa hiainanareo.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *