Inona no atao hoe Fianakaviana? Ny firesahana betsaka momban’ny firafitry ny fianakaviana amin’izao androntsika izao, araky ny Baiboly, iarahantsika mahalala fa ny fototra ihorenan’ny fianakaviana dia ny ray aman-dreny sy ny zanaka. I dadabe sy Nenibe, dadatoa, zanaka mpiraitampo amin’ny ray aman-dreny, ny zaodahy sy ny sisa dia afaka hanampiana na ho anisany, izany dia miankina amin’ny karazan’ny fiaraha-monina. Eto isika dia miresaka ny ohatry ny fianakaviana voaorina mifandraika amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny ankizy dia tsy tokony haka na oviana na oviana ny toeran’ny reny na ny ray. Raha toa ka maka ny toeran’ny iray amin’ireo mpivady ireo ny ankizy, dia toy ny mandevina ny tenany miaraka amin’ny fanambadiany ny iray amin’izy roa, satria izy roa dia nofo iray.
Izany dia mitranga rehefa tsy mahatsapa ho voaharon’ny fiatiavan’ny vadiny ilay vehivavy. Ny fitaintainan’ilay vehivay ao anatin’ny fanambadiana dia mahatonga azy hanolo izany toerana izany ho an’ny zanany, izay mitarika fahapotehana tokantrano maro. Raha toa ka hendry ilay vehivavy, dia hitolona am-bavaka amin’Andriamanitra izy, mba ahafahany maka indray ny fon’ny vadiny, ka tsy hanolo toerana azy ao am-pony.
Ny ray aman-dreny
Rehefa mandao ny ray aman-dreniny ireo tanora ka hivady, dia tokony ho tsapan’izy ireo fa ny mpivady vao dia lasa nofo iray, ary na iza na iza manelanelana azy ireo, ankoatran’Andriamanitra dia ho tonga sakana ho an’ny fasambaran’izy roa izany. Raha toa ka tian’ireo ray aman-drenin’ny mpivady vao ny ahita azy ireo ho sambatra, dia tsy maintsy tapahiny tanteraka ny fifandraisana maha pianaka azy ireo ary tokony ho fantatr’ireo ray aman-dreny fa tsy azy ireo intsony ny zanany, ary tsara ho azy ireo ary koa ho an’ny ankizy, ny hamelan’izy ireo malalaka ny zanany hanorina ny fiainany, ka tsy hiditra an-tsehatra amin’izany.
Raha toa ka takatrin’ny ray aman-dreny hatramin’ny voalohany fa hoe tsy azy ny zanany, dia tsy hijaly izy ireo ary ny ray aman-dreny dia hanaiky sy hankasitraka ny hamela ny ankizy malalaka, mba ho sambatra ao anatin’ny fanambadiany. Ny zavatra rehetra, na ny any an-danitra izany, na ny ety an-tany, dia an’i Jehovah Andriamanitra, Ilay Nahary avokoa. Ny zanantsika, ohatra, dia nampindramin’ Andriamanitra antsika mandritra ny fotoana fohy. Raha toa ka tsy ekentsika izany ka mitahiry azy ho toy ny zavatra sarobidy ao am-pontsika isika, ka raha sendra ka maty izy, dia maty koa isika ao anatintsika. Izany no antony mahatonga olona maro mampijaly tena rehefa mametraka ny zanany ho harena lehibe ao am-pony. I Jesosy Tompo dia nilaza hoe: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao” (Matio 6: 21)
Raha toa ka amin’ny zanantsika ny fontsika, na amin’ny ray aman-dreny, na amin’ny iraitampo, na amin’ny vady (na lahy na vavy), na amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao, rehefa mandao antsika ireny, dia very miaraka aminy koa ny anton’ny fiainantsika, fa raha ao amin’i Jesosy Tompo kosa ny fontsika, dia hiorina mandrakizay izy ka tsy ho vohozongozona na ho simba na oviana na oviana.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire
Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *