ANDRIAMANITRA, NY ANKOHONANA ARY NY FIANGONANA


Ny Fiangonana

Ny Fiangonana na ny asa izay tanterahin’ny olona ho an’Andriamanitra, dia mitoetra eo amin’ny laharana fahefatra. Ny fizotra ara-dalàna ny asantsika eo anivon’ny asa’ny Mpampianatra dia tsy ho tanteraka raha toa ka tsy manana fianakaviana voaorona tsara isika, raha toa ka tsy manompo Azy ao amintsika isika. Ahoana no ahafahan’ny olona iray haniry hanampy ny any ivelany nefa ny fianakaviana manokona eo an-dalam-pahaverezana. Ny Apostoly Paoly, tarihin’ny Fanahy Masina, dia nilaza toy izao: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5: 8)

Ilaina, aloha, mijoro vavolombelona tsara eo anatrehan’ny fianakaviana alohan’ny hirotsahana an-tsehatra hanampy izay any ivelany. Anefa manontany tena angamba ianao: “Ary raha tsy vitako ny mamonjy ny fianakaviako, tsy afaka hamonjy ny any ivelany ve aho?” Ny tsy fahafahana hamonjy ny fianakaviana dia tsy hahasakana izay te hamonjy ny any ivelany. Matetika, ny fianakaviantsika dia tokony hahita ao amin’ny fitondratenantsika an-davanandro, ao amin’ny fitenenantsika toy ny ao amin’ny fihetsintsika, olona feno ny Fanahin’Andriamanitra, raha tsy mitranga izany, ny asantsika eo anivon’ny fiangonana dia voasarona, hoharina tahaka ny an’ny mpihatsaravelatsihy.

Na dia tsy ampy hanovana  fo ny fianakavianao, izay tsy miova fo, aza ny fijoroana vavolombelon’ny fiainanao, tsy misy antony hitsarana ny toetranao, satria ny fahafenoan’ny Fanahy Masina dia tsy voafetra fotsiny amin’ny fitenenana amin’ny fitenin’Anjely, fa ny fananana toetra kristianina ao an-trano, any am-piasana, eo amin’ny fiaraha-monina sy any am-piangonana. Maro be ankehitriny ireo antony mahatonga ny fiangonan’i Jesosy Kristy Tompontsika mifanipaka amin’ny fiangonana tany am-piandohana, nefa inoantsika fa ny antony lehiben’ny tsy fahombiazany        ara-panahy dia ny tsy fanarahana indrindra ity laharam-pahamehana ity:



a)    Voalohany
• Ny Fombonana amin’Andriamnitra

b)   Faharoa
• Ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fifandraisana ara-pianakaviana

c)    Fahatelo
• Ny fifandraisana amin’ny namana ary ny fiangonana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *