Ny fanambadiana
Aorian’ny fihaonana amin’Andriamanitra, ny fanambadiana no dingana lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona iray, fa indrindra hoan’ny kristianina. Ny filaharan’io dingana io dia ambaran’ny endriky ny hazo fijaliana, koa hita amin’izany: ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ambaran’ilay hazo mitsangana amin’ny hazo fijaliana, ary ny fifandraisana amin’ny namana, ambaran’ilay hazo mitsivalana. Raha toa ka ny sandrin’ny hazo fijaliana tsy miatomboka amin’ny fanambadiana, dia tsy hiorina na oviana na oviana izany. Ahoana no ahazoan’ny olona iray mifandray tsara amin’ny namany, raha toa ka izy aza tsy manana, voalohany indrindra, amin’ilay ilany? Eo am-piandohana, ny mpivady dia tokony hanana ny traik’efa ny fahateram-baovao, mba hahazaona antoka ny fahasambarana ao amin’ny fanambadiana. Tsy ampy ny maha mpivavaka fotsiny na ny fandehanana amin’ny fiangonana christianina evanjelika, eny fa na dia vita batisan’ny Fanahy Masina aza. Fa mbola mila mihoatra noho izany. Toy ny lehilahy ny vehivavy, dia tokony hiaina ny finoana ambaran’izy ireo, satria ny fihombonana isan’andro amin’Andriamanitra dia hiankina amin’ny fifanajana akaiky sy ny fiadanana izay misy eo amin’ny fifandraisan’izy roa tonta.
Ny fototra lehiben’ny fanambadiana dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra fa rehefa tsy mandeha tsara ny fanambadiana, dia satria miha-mangatsika ny fitiavana, izany anefa dia tsy voatery ho marina avokoa. Ny tena marina, dia ao amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny olana na ny andany na ny ankilany, na izy roa mihitsy. Hisalasalanay tokoa ny fangatsihan’ny fitiavana raha toa ka manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’ Andriamanitra ny mpivady. Sady efa voasoratra hoe: “...Ny Fanahy Masina izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika .” (Romana 5:5)
Tsy tanteraka ny fitiavana marina sy madio eo amin’ny mpivady raha tsy eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fanatrehan’Andriamanitra, satria ny fitiavana dia avy Aminy. Raha tsy misy Andriamanitra, dia tsy misy ny fitiavana. Ary raha tsy misy ny fitiavana, dia tsy hisy ny fifandraisan’ny mpivady, indrindra moa fa ny fiadanana.
Ny ankizy dia avy amin’ny fiadanana ao an-tokan-trano sy ny fitiavan’ny ray aman-dreniny, ary mandova izay rehetra niainan’ireo ray aman-dreniny. Raha toa ka miaina ao anatin’ny fiadanana izy ireo, dia hiaina am-piadanana koa ireo ankizy, fa raha miaina ao anatin’ny fifandonana kosa izy ireo, dia toy izany hiany koa no hiantraika amin’ireo ankizy. Izany hoe, ny ankizy dia mandova na ny fahatsarana na ny faharatsian’ireo ray aman-dreniny, ny rehetra dia miankina amin’ny zavatra hiainan’izy ireo. Raha fintinina, ny fahasambaran’ny mpivady dia miankina amin’ny fifandraisana hananan’izy ireo amin’Andriamanitra, ary ny an’ireo ankizy kosa dia miankina amin’ny fahasambaran’ny ray aman-dreniny. Izany no antony andraran’ny Baiboly ny fanambadiana mifangaro, izany hoe: ny fanambadian’ny olona efa miova fo amin’ny olona tsy mino. Ny mpifamofo, dia tokony hanao fizaha toetra amin’ny finoany mba ahafantarany raha toa ka miaina eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra izy ireo. Ny olona iray izay naterak’Andriamanitra dia tokony hivady amin’ny olona iray, izay mazava ho azy, fa izay naterak’Andriamanitra, koa araka ny ohatran’i Abrahama, rain-tsika amin’ny finoana, izay nifidy ny vadiny tamin’ireo teraka tao an-tranon’ny rainy.
Rehefa manana fihaonana amin’Andriamanitra isika, dia miataka ho azy amin’ireo namana tsy mpino satria tsy misy intsony fifandraisana azo tanterahina miaraka amin’izy ireo. Koa mitady fiarahana sy fifandraisana maha-mpinamana amin’ireo izay an’Andriamanitra isika, satria mahasoa antsika izany. Ny safidy amin’ny fanambadiana dia tokony ho matotra tsara, satria ny fiainantsika ara-batana dia hatolotra ho an’ny olona iray ho lasa nofo iray. Ny fiainantsika ara-panambadiana dia ho vokatrin’ny fiainan’ny tsirairay izay ananan’ny mpivady amin’Andriamnitra. Raha toa ka ny tsirairay samy mihazona ny fiainany ara-panahy hahery, ny fiainan’izy roa dia hahery ihany koa. Raha toa ka tsy mety ara-panahy ny iray, ny fiarahan’izy ireo dia tsy haharitra, raha tsy hoe hanaiky ny toetrin’ny Tompo ilay efa miova fo ka hiaritra ireo fiantsian’ny iray. Raha mifanohitra indray, dia tandindomin-doza ny fanambadiana ary mety ho very ny famonjeny.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire
Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *