Andriamanitra
Ny zava-mananaina rehetra dia manana fandaminana ara-natoraly sy manokana ireo zava- manan-danja aminy, izany hoe ny filaharan’ireo olona na zavatra izay tena manan-danja eo amin’ny fiainany. Araky ny ara-dalana, ny ray-amandreny dia mametraka ireo zanany ho loha-laharana, ary izy ireo koa dia mametraka ny ray aman-dreniny ho toy izany. Nefa, ny fandaminana ara-natoraly araka ny lanjany eo amin’ny fiainan’ireo izay tena an’Andriamanitra, izay amin’ny finoany ao amin’i Jesosy Tompo, dia mametraka an’Andriamanitra ho loha-laharana; faharoa: ny fanambadiana, fahatelo: ireo zanaka ary fahefatra: ny fiangonana.
Amin’ny ankapobeny, ireo ray aman-dreny dia manana ny toerana voalohany ao am-pon-janany ary toy izay koa no mitranga manoloana an’Andriamanitra. Rehefa naterak’Andriamanitra isika, dia mahita Azy ho tena Ray mandrakizay, dia ara-dalana raha mitoetra ho voalohany eo amin’ny fiainantsika Izy. Ny hoe: naterakin’ny Fanahy Masina dia miteraka fiovana amin’ilay olona izay tena manan-danja eo amin’ny fiainan-tsika ; noho izany, i Jesosy Tompo no lasa anton’ny fiainan-tsika manontolo. Mazava ho azy, fa izany no manamarika ny tena fiovam-po kristianina, satria, rehefa tena miova fo tanteraka ao amin’I Jesosy Tompo dia raisin-tsika Izy sy fitiavantsika lehibe indrindra ary harena lehibe indrindra ho antsika koa. Ny vehivavy, ny zanaka, ny ray aman-dreny, ny namana, ny vola, ny lova sy ny sisa, dia mipetraka ho drafitra faharoa. Izany dia tsy mijanona ara-teorika, arak’izay ataon’ireo mpanaraka fombafombam-pivavahana; fa ao anatin’ny fanoharana no hitrangan’izany, eo amin’ny fiainan’izay miova fo ao amin’i Jesosy Kristy Tompo: “Ary hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. Fa inona moa no soa hoazon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?...” (Matio 16: 24-26)
Ny fifanantonana izay misy eo amin’Andriamanitra sy ilay olona naterany dia fehezina fifandraisana ara-pinoana tena tsara, ka tsy hay azavaina. I Jesosy Kristy Tompo, ilay Lohan’ny finoana sy Mpanefa azy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia Ilay mametraka io finoana io ao am-pon’ireo zanany.
Izaho manokana dia mino fa raha tsy manana tombony ho voninahitra sy dera manokana ho an’I Jehovah Raiko ny fiainako, dia tsy hisy dikany mihitsy, ka tsara kokoa ny mandao izao tontolo izao. Tiako ny ankohonako ary tiako ny zavatra ataoko. Sambatra aho, nefa raha toa ka tsy homem-boninahitra amin’izay ataoko Andriamanitra Raiko, dia mitondra ny tenako ho farany fadiranovana sy ory indrindra amin’ny olom-belona rehetra aho. Izy no rehetrako, harenako sy voninahitro, ary raha miaina ety an-tany aho nefa tsy hanompo Azy, dia tsy misy antony ny hiainana!

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire
Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *