Ny toro-làlana avy any ambony izay nankasitraka ny fitomboan’ny fianakaviana voalohany dia nanana antony iray, dia ny fahafantarana ny fahalavorariany. Tsy misy fahotana, dia azo antoka mihitsy, fa tonga lafatra ireo ankizy. Ireo ankizy dia hanome voninahitra mandrakizay ireo ray aman-dreniny, ary amin’ny alalan’izy ireo, Ilay Nahary. Fa rehefa nanapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ka nikomy nanohitra Azy ka nanetry tena tamin’ny devoly ny olombelona, ilay ankohonana voalohany dia nanary ny fahadiovany, ny fahamasinany sy ny fahalavorariany, ka nanome fahaterahana zanaka izay mpikomy mihoatra noho ny ray aman-dreniny.
Noho izany, ny Tany, izay tokony nosahanin’ny fianakaviana lavorary, dia lasa ireo zanak’ireo mpikomy no nisahana azy, ka nahatonga ny fahasimbana tanteraka ny olombelona. I Jesosy Tompo àry dia tonga eto amin’izao tontolo izao mba hanarina indray ny lanja manjaka ara-moraly sy ny lanja manjaka aram-panahy, talohan’ny fianjeran’olombelona. Amin’ny fankatoavana ny Teniny, ny fanjakan’Andriamanitra dia ho voahorina ao am-pon’ny tsirairay avy. Raha toa ka miaina fiainana kristianina mifanaraka amin’ny Baiboly ny olon-droa, dia lasa ho sombin-danitra kely ny tokatranony, ireo zanany dia mpankatoa ka sambatra ny fianakaviana: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy” (Genesisy 1: 27)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire
Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.mg
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *